SocialTsidika

Fananganana Oniversite any Morondava

Mampandroso ny firenena ny fananana tanora mazoto sy mahay ary manam-pahaizana. Olana eo amin’ny fandratoana fahaizana eny anivon’ny fampianarana ambony ny tsy fisian’ny vola noho i Madagasikara mbola ambany ny vola miditra isan-tokatrano. Ny fampianarana eny amin’ny Oniversitem-panjakana no azo lazaina fa mora zakaina ihany raha hampiana-janaka saingy izay mahay ihany no tafiditra noho ny famerna ny tanora azo raisina. Tsy ampy ny fotodrafitr’asa manerana ny Oniversite rehetra ka tsy maintsy atao mifanaraka amin’izany ny mpianatra azo raisina.

Efa manomboka ankehitriny ny fananganana Oniversitem-panjakana ao amin’ny faritra Morondava. Mpianatra iray monina an Morondava kanefa mianatra aty Antananarivo no naneho ny heviny mikasika izao fananganana foto-drafitr’asa izao : “Mianatra aty an-drenivohitra aho na dia avy any Morondava aza, any Toliara misy Oniversite kanefa raha samy hiala ny tanindrazana ihany tsy aleo mamonjy ny renivohitra. Itako ho vahaolana mihitsy ny hananganana ity Oniversite aty morondava ity satria mba ho betsaka amin’izay no afaka hanovo fahaizana. Olana manko teo aloha, izay manana fahafahana hampianatra zanaka any an-drenivohitra ihany no afaka mamonjy ny anjerimanontolo”. Mbola hafa ihany koa ny diplaoma amin’izany Oniversitem-panjakana izany hoy ny mpianatra iray hafa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire