ActualitésTsidika

Nitokona koa ny mpianatra ao Fianarantsoa

Nitokona ny mpiantry ny Oniversite Mahajanga vao nahazo ny vatsim-pianarana 5 volana ambiny, Omaly ihany koa dia nitokona ny Oniversité Toliara ray nanambara av hatrany ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Siantifika fa efa an-dalana ny fizarana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra any Toliara. Ary nanambara ihany koa ity Minisitera ity fa efa mikarakara ny vatsim-pianarana ho an’ny Oniversite hafa. Mila mitokona izany ve vao mahazo ? Nitokona indray, androany, ny mpianatry ny Oniversite Fianarantsoa noho ity vatsim-pianarana 5 volana ity ihany. Efa hifarana ihany manko ny taom-pikatrohana 2019-2020 kanefa ny 5 volana ambiny mbola tsy misy resaka akory hoy ny mpianatra iray tany an-toerana. Ahiana hitokona tsy ho ela ihany koa ny mpianatr’i Toamasina sy Antananarivo. Ny olana teo aloha sy taloha ihany no indro miverina. Misy foana ve noho izany ny fitokonana vao mba hisitraka ny vatsim-pianarany ny mpianatra ? Inona no olana mandrakizao ? Efa naroso ny karatra hakana ny vatsim-pianarana saingy aiza izay fiovana ? Ny fitokonana toa misy foana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire