Pérou : Nahitana « momie » nifatotra tao an-toerana
« Archéologue » no nahita ity « momie » ity, tao amin’ny 24 km niala an’i Lima. Efa tany amin’ny taona 800 na 1200 io olona hita io raha ny fanazavana. Nifatotra izy, ary notakonany tamin’ny tanany ny tarehiny, raha ny vinavinan’ireo manan-pahaizana ireo dia lehilahy manodidina ny 18 hatramin’ny 22 taona io hita io.Tao amin’ny efitra fandevenana, tany amin’ny alalina 1,40 metatra, tao amin’ny toerana « archéologique » Cajamarquilla no nahita ity « momie » ity. Nisy taolana bitro voalavo sy biby iray mbola tsy voamarin’izy ireo fa hevirina ho alika ihany koa niaraka hita tamin’ity « momie » ity.
