Dépêches

Fitsidihina Antanambao Manampotsy sy Marolambo

03 Desambra, 09h27. Nidina ifotony nijery ny zava-misy iainan’ny mpanjifan’ny JIRAMA tao Antanambao Manampotsy sy Marolambo ny Tale iraisam-paritran’ny JIRAMA Tsitohery Francesca ANDRIAMAMPIONONA. Olana roa no tsikaritra fa mahatonga ny tolotrin’ny JIRAMA tsy tomombana amin’ireo toerana ireo. Ny ara-teknika efa antitra sy ny fahataran’ny famatsiana solika hampiodinana ny tobim-pamokarana izany, lavitra mantsy ny toerana ary ratsy ny làlana. Ho ampiana kosa ireo vondrom-pamokarana herinaratra ao an-toerana amin’ny taona 2022 ary ho hanavaozana tanteraka ny tobim-pamokarana jiro raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire