SocialTatitra

Liban : Mikorosofahana ny sandam-bola.

Mihena be ny fahefa-mividy ary miakatra ihany koa vidim-piainana any Liban. Nanao fihetsiketsehana an-dalambe mihitsy aza ny olona tany an-toerana fa mikoroso fahana ny sandam-bola ka mahatonga izany fahasahiranana izany. Fisakanandalana sy fandorana kodiarana no nanehoan’izy ireo izany hatezerany izany. Tsy nisy anefa ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana nanoloana izany fa nanara-maso avy aty lavitra fotsiny izy ireo. Nosokafan’izy ireo soa aman-tsara ihany koa ny lalana.

Laisser un commentaire