Suède : Fanafihana antsy, olona avy any Afghanistan tonga tao an-toerana ny taona 2018 ahiahiana.
Nambaran’ny haino aman-jery suedois maro fa Afghan, 22 taona, tonga tao Suède ny taona 2018 no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana nitan’antsy niseho ny alarobia 03 martsa teo. Olona 7 no naratra tamin’izany. Raha araka ny fitantaran’ny polisy, nanodidina ny tamin’ny 3 ora tolak’andro teo no nisehoan’ny fanafihana, tsy lavitry ny renivohitr’I Vetlanda. Fotoana fohy taorian’izay, tratra ihany ilay mpanao ratsy rehefa voatifitry ny polisy teo amin’ny tongony. Fanafihana izay sokajian’ny polisy ho asa fampihorohoroana. Misy ny nilaza fa 8 ireo naratra tamin’izany, saingy rehefa nohamarinin’ny polisy kosa, 7 ny isa farany navoakan’ny fanadihadiana. Noentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ao Jönköping izy ireo. 3 no ahiahiana ny fahasalamany ary 2 kosa no tena naratra mafy raha araka ny vaovao voaray avy tao amin’io hopitaly io. Efa nohesorin’ny polisy ny mety haha hetsika fampihorohoroana ity tranga ity saingy niverina indray ny fanahiana amin’izao fotoana hoy izy ireo. Mbola hisy ny fanambarana ho hataon’izy ireo ny harivan’ny alakamisy 04 martsa. Mahakasika ilay Afghan voatifitra kosa indray, mbola tsy afaka mamaly fanontaniana ny tenany amin’izao fotoana hoy ny polisy ao an-toerana fa omena miandalana eo ihany ny tohin’ny raharaha.
