ActualitésTatitra

France : Nanapa-kevitra ny amin’i Edouard Balladur sy i François Léotard ny fitsarana mikasika ny raharaha « Karachi »

Namoaka ny didim-pitsarany ny teo anivon’ny mpampanoa lalana ao ny alakamisy 04 martsa manoloana ny fiampangana an’i Edouard Balladur, praiministra teo aloha sy ny ministry ny fiarovana teo aloha ihany koa, François Léotard. Fandraisana  anjara amin’ny raharaha Karachi no hanamelohana azy ireo. Araka ity didim-pitsarana nivoaka ny talata 2 febroary ity, herintaona an-tranomaizina sazy miantona sy vola mitentina 50 000 euros (manodidina ny 150 tapitrisa ariary) no sazy azon’i Balladur. Firaisana tsikombakomba sy fanafenana ary fanararaotana ny fananan’ny orinasa no hanamelohana azy. Sazy antranomaizina roa taona sazy miantona sy lelavola 100 000 euros (manodidina ny 300 tapitrisa ariary) kosa no azon’i François Léotard, nampangaina ho mpiray tsikombakomba tamin’i Balladur. Voapanga ho nametraka orinasam-panjakana roa i Balladur sy i Léotard, izay nifampiraharaha tamin’ny fivarotana “sous-marins” sy sambo tsy ara-dalàna tamin’i Arabie Saoudite sy tamin’i Pakistan. Tambazotra izay efa nofoanana efa ela ny fifanarahana fanafarana fitaovam-piadiana.

Laisser un commentaire