SocialTatitra

Afrique du Sud : Miandry ny fanosorana ny mpanjaka vaovao ny fanjakana Zoulou

Niamboho ny zoma 12 martsa, teo amin’ny faha-72 taonany ny mpanjakan’ny fanjakana Zoulou, Goodwill Zwelithini, rehefa nitondra nandritra ny 50 taona. Tsy mbola fantatry ny mponina mazava fa tazonina ho tsiambaran-telo ny anaran’izay ho mpandimby azy hoy ny mpahay tantara ao Afrique du Sud Ntuli Pikita tamin’ny AFP. Fomban’ny fanjakana zouloue hatr’izay ary sarotsarotra ny manazava azy ity fanafenana anarana mpanjaka mpandimby ity aorian’ny fahafatesana mpanjaka mpitondra iray hoy hatrany izy. Nanana zanaka lahy ny mpanjaka Goodwill, saingy nodimandry ny volana novambra 2020. Raha araka ny tantara ihany koa, manana zo hanambady maromaro ny mpanjaka zouloue. Tsy manan-jo handray ny fanjakana ny zaza voalohan’ny vady voalohany, hoy i Ntuli Pikita. Andro maromaro izao, mivezivezy ao amin’ny Tanana kelin’i Nongoma, faritr’i Kwazulu Natal (avaratra-atsinanana) avokoa ireo tompon’andraikitra ara-politika. Tsy mbola nahitana soritr’izay ho anaran’ny mpandimby an’i Goodwill Zwelithini anefa hatramin’izao.

Laisser un commentaire