28 Août : Indiamilahatra Charles Angelico.
Teraka ny 20 Aogositra 2000 i Indiamilahatra Charles Angelico na Dadaco, tovolahy avy ao Vavatenina misehatra ao amin’ny tontolon’ny mozika. Tamin’ny fahazazany, nianatra tao amin’ny kolejy Saint Joseph Vavatenina avy izy, avy eo tao amin’ny Lycée Manampisoa Vavatenina mandra-pahazony ny marim-pahaizana “Baccalauréat”. Manohy fianarana ao amin’ny CFFAMMA Antsirabe izy amin’izao fotoana ary manao taranja Machinisme Agricole. Miaina miaraka amina fianakaviana tia mozika izy ary isany nitarika azy hiditra bebe kokoa amin’ny sehatry ny kanto izany. Tao anatin’ny tontolon’ny Hip-Hop no tena nahaliana an’i Dadaco. Efa nanandrakanadrana nihira “Rap” niaraka tamin’ireo namany izy fony izy roa ambin’ny folo taona. Mitohy mandrak’izao ny fitiavany io gadona io ary nivoatra sy efa miditra amin’ny maha matihanina kosa izy amin’izao fotoana. Mpamorona no sady mpihira mozika Trap sy Drill i Dadaco. Tamin’ny taona 2014 izy no nanomboka niditra teo amin’ny tontolon’ny “underground » izay efa nahavitany singa maromaro.
Indiamilahatra Charles Angelico, connu sous son nom de scène « Dadaco », est né le 28 Aout 2000. Originaire de Vavatenina. Il a étudié au Collège Saint Joseph de Vavatenina puis au Lycée Manampisoa jusqu’à l’obtention du diplôme de Baccalauréat. Il continue ses études au CFFAMMA Antsirabe en Machinisme Agricole. Dadaco vient d’une famille qui est aussi passionnée de la musique. Il s’est imprégné de culture Hip Hop, et a commencé à faire du rap à l’âge de 12 ans dans la rue avec ses camarades du quartier. Dadaco est également auteur-compositeur-interprète. Ses genres musicaux de prédilection sont le Hip-Hop, le Trap et le Drill. En 2014 il a débuté dans le milieu « underground » et beaucoup de ses morceaux ont été enregistrés à l’époque où il était dans le Label Team Vetega.
