France : Hanatrika ilay fihaonana ataon’ny polisy i Gérald Dermanin
Miantso ny olom-pirenena hivory ny sendikan’ny polisy eo anolohan’ny antenimieram-pirenena mba hitaky ny fanenjanana kokoa amin’ireo mpampihatra lalàna manao herisetra. Mbola mafy ny alahelo. Ny namonoana an’i Eric Masson, mpitandro filaminana, tany Avignon tamin’ny tapa-bolana no anton’ny fivoriana. Manao antso avo amin’ny olom-pirenena ny sendikan’ny polisy mba hanohana azy ireo amin’ny fihetsiketsehana izay atao ny alarabia 19 mey amin’ny 1 katramin’ny 3 ora tolakandro. Ny alatsinainy teo no nanao nanambara ny minisitry ny atitany Gerald Darmanin fa hanatrika ny fihetsiketsehana ny alarobia ho avy izao. Rariny ny hatezeran’ny polisy, hoy ity minisitra ity. Manohana sy manatrika azy ireo aho amin’ny fiadiana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy hatrany izy.
