SocialTatitra

Etats-Unis : Voaheloka higadra 20 taona i Ghislaine Maxwell

Voaheloka higadra 20 taona tao amin’ny tribonalin’i New-York i Ghislaine Maxwell. Raha tsiahivina dia voampanga ho nanao fanondranana zaza tsy ampy taona ny tenany ny faran’ny volana 2021 teo.

Raha ny fantatra dia zatovo 14 taona monja no lasibatr’i Ghislaine Maxwell tany amin’ny taona 1990 sy 2000. Nosarihiny tamin’ny alalan’ny fananany sy tamin’ny naha « prédatrice sophistiquée » azy ireo tanora ireo talohan’ny nitondrany azy tao amin’i Epstein, tranony iray tamin’ireo tao Manhattan, Floride, Îles Vierges ary Nouveau-Mexique.

Nangataka ny fanemorana ny fanamelohana azy tamin’ny mpitsara nefa ny mpisolo vava azy, Bobbi Sternheim. Antony ny mety hamonoan’i Ghislaine Maxwell tena raha ny fanazavany. Tany amin’ny tapan’ny volana nefa dia fangatahana famelan-keloka latsaky ny 20 taona an-tranomaizina io zanak’i Robert Maxwell io.

Laisser un commentaire