ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola : Efa hifanarana ny asa fanamboarana ny gara

Ao anatin’ny famaraparanana ny asa fanamboarana ny gara lamasinina sy ny lalamby ireo tomponandraikitra misahana ny asa fanamboarana izany amin’izao fotoana izao. Efa mipetrapetraka avokoa ary ho vita mialohan’ny fanatanterahana ny andrana teknika izany, araka ny voalaza.

“Tsy mbola vita tanteraka ny asa, izay no antony tsy nahatontosa ny fotoana izay napetraka hanatanterahana ny andrana ara-teknika ny lalambt tamin’ny talata teo. Manao ny ezaka rehetra ireo tomponandraikitra ao anatin’izany ka ho vita tsy ho ela ny asa izay atao eto amin’ny gara Ambohimanambola sy Soarano ka hiasa tsy ho ela, araka ny niandrasan’ny maro azy ny zotra-pitaterana an-dalamby” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Somatrafer.

“Efa tena miandry tanateraka ny fandehanan’ny lamasinina mihitsy izahay. Tena tsara ilay izy ary fanovana lehibe ho an’ny fitaterana raha tena miasa eto an-drenivohitra ny lamasinina. Hirariana mba hahavitan’izany haingana” hoy i Sidonie, mponina ao Ambohimanambola.

Tsiahivina moa fa tokony ny talata teo no nanatanetrahana ny andrana voalohany ity fitaterana vaovao hiasa eto an-drenivohitra ity, kanefa tsy tontosa izany na efa maro tamin’ireo mponina aza no vory lanona niandry izany teny amin’ireo gara. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny fotoana mety hanatanetrahana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire