ActualitésTatitra

Maurice : Misokatra ho an’ny daholobe ny Sub Hall

Notokanan’ny praiminisitra, Pravind Jugnauth ny alarobia teo ny Sub Hall ao Circonstance, Saint-Pierre. Toeram-pialamboly izy io, izay misy toerana natokana hanaovana fanatanjahantena sy hampihetsehana vatana toy ny yoga na zumba, ary ahitana lalao samihafa.

Nandritra ny fandraisam-piteneny dia nilaza ny praiminisitra fa tombony lehibe ho an’ny tanànan’i Circonstance io fotodrafitrasa vaovao io. Afaka mampiasa fitaovana maoderina mba handraisana anjara amin’ny hetsika ara-tsosialy sy fivoriam-be ny mponina raha ny fanamafisany ary afaka manao lalao sy fanatanjahantena.

Nanararaotra nilaza ihany koa i Pravind Jugnauth fa ny governemanta miazakazaka amin’ny fampandrosoana ara-fotodrafitrasa manerana ny nosy hatrany Rodrigues sy Agaléga izay efa am-pahamitana ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina (piste d’atterrissage) sy seranan-tsambo (jetée).

Laisser un commentaire