ActualitésCultureTsidika

BTC: Efa manomboka ny fampianarana dihy maimaim-poana

Efa manomboka ny fampianarana dihy maimaim-poana eny aminny BTC Ambohimangakely. Dihy isan-karazany no hatolotry ny ivon-toerana ho an’ireo tia mandihy na te hianatra hahay handihy. Mbola mitohy hatrany anefa ny fandraisana mpianatra vaovao, raha ny voalaza.

“Ao anatin’ny hetsika ahafantarana ny BTC ny dihy, izany indrindra no hanentanana ny tanora na ny olon-dehibe, na ny ankizy izay liana amin’ity taranja ity ho avy ety amin’ny ivon-toerana satria maimaim-poana ny fianarana dihy atolotry ny fikambanana amin’izao fialan-tsasatra izao ary mitohy hatrany ny fandraisana mpandihy” hoy i Hasina tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

“Misy karazany ny dihy azo hianarana, ny dihy nentin-drazana, ny breaking ary ny dihy fanao amin’ny lanonana. Tsy mifidy sokajin-taona ihany koa satria ireo rehetra tia mandihy no andrasana amin’ny fianarana. Isaky ny sabotsy sy Alarobia folak’andro no fotoana hifanomezana” hoy hatrany ny fanazavana.

Eny amin’ny BTC Ambohimangakely araka izany ny fotoana hifanomezana ho an’ireo te hianatra handihy rehetra. Isaky ny alarobia tolak’andro sy ny sabotsy maraina. Tsy voatery ho mponina ao Ambohimangakely ihany no mandary anjara amin’ity fampianarana ity fa misokatra ho an’ny rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire