ActualitésTsidika

Alasora: Nisy ny firotsahana teny ifotony nataon’ny fikambanana GRET Madagascar sy ny Kolotanana

Nandeha teny ifotony, teny amin’ireo fokontany ny fikambanana Kolotanana sy ny Groupement GRET Madagascar ny faran’ny herinandro teo. Ny fokontany Ankadievo sy Amboaroy no voatsidika nandritra izany.

“Zava-dehibe ny fandehanana an-tsehatra miaraka amin’ireo mpiara-miombonan’antoka tahaka izao. ny groupement GRET Madagascar moa dia mpiara-miasa amin’ny fikambanana Kolotanana, izy ireo no mpamatsy ara-traikefa sy ara-pitaovana ny fikambanana” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Ilaina hatrany ny fanohizana ny ezaka eo amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fitantanana sy fandrindrana ny fako. Anisan’ny miteraka olana lehibe ny fako ka ny fiara-miasa sy ny fijerena ifotony tahaka izao dia manampy betsaka amin’ny famahana izany” hoy i Rogé, mponina ao Alasora.

Aminy alalan’ny fidinana ifotony tahaka izao no hahafantarana sy ahatsapana ireo filàn’ny mponina eny an-toerana. Ny fikambanana Kolotanana izay miandraikitra ny fitantanana ny fako ao amin’ny kaominina dia anisan’ny manome vahana izany ho fihainoana ny hetahetan’ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire