Ambohimalaza: Nisy ny fanoloana ireo jiro MT tao an-toerana
Vokatry ny andro ratsy nandalo tato amin’ny firenena, izay niaraha-nahita ny akon’ny fahasimbana sy fahavoazana saika nmanerana ny nosy, dia anisan’ny nitondra fahavoazana ihany koa ny kaominina Ambohimalaza. Jiro MT na ireo “moyenne tension” miisa telo no nidaraboka tao an-toerana nandritra izany, ary efa nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanarenana izany ny orinasa tomponandraikitra.
“Amin’ny fotoana fanarenana ny karazana fahavoazana tahaka izao dia tsy maintsy misy ny fanelingelenenana haterany eo amin’ny mpanjifa ary ny orinasa jirama dia efa mandefa fampahafantarana mialoha hatrany ho fanomanana ny mponina” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny jirama.
“Tsara hifampitaizana sy hanentanana ny mponina hatrany, rehefa misy ny fianjerena andrin-jiro dia tsy tokony hanantona na hanakaiky azy ireny fa mety hitera-doza. Tsara foana ny miandry ireo tomponandraikitra misahana izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny ezaka ataon’ny jirama moa ny mamaly ara-potoana ny antso mahakasika ny asa izay sahanin’izy ireo, indrindra amin’ny fahatapahana andrin-jiro tahaka izao.
Manitra R.
