ActualitésTsidika

Alasora : Manampy ny tanora tsy an’asa ny ben’ny tanàna

Mikarakara fampianarana mamily fiarakodia ho an’ny tanora tsy an’asa ao aminy i Jimmy Randriantsoa, ben’ny tanànan’Alasora.

Arakin’ny efa nampanantenainy ny mponina tao aminy, hijery manokana ireo tanora tsy an’asa ny tenany. Fizarana « Permis de conduire catégorie B » maimaimpoana izany ka natokana ho an’ireo lahy na vavy roapolo ka hatramin’ny efapolo taona tsy an’asa mahay mamaky teny sy manoratra izany.

Maro ireo naneho ny heviny momba ity tolotrin’ny ben’ny tanàna ity, toa an’i Feno, tanora iray tsy an’asa : « Ilaina tokoa ny tosika atao amin’ny tanora mba afahan’izy ireo miasa sy mihary, mba manana permis afahany mitady asa izy amin’izay ».

 « Mety mihitsy izao ataon’ny ben’ny tanàna izao. Toy izao ilay hoe manome harato hoentina manjono fa tsy trondro avy hatrany dia hohanina fotsiny » hoy kosa i Thony, mpianatra « sociologie » eny amin’ny anjerimanontolo. Etsy an-danin’izany, misy ihany koa ny tsy mankasitraka ny fanomezana maimampoana toy izao fa tsy mampandroso ny firenena : « Aleo tsy zarina omena zavatra maimaimpoana tahak’izao ny Malagasy fa tsy miezaka mihitsy, zatra omena dia tsy mitady intsony » raha ny filazan’ i Maholisoa, mpandraharaha.

Maro tokoa ireo tanora no tsy an’asa ankehitriny ka hevitra mety ary manampy ny tanora amin’ny fitadiavan-kasa ny hetsika toy izao. Asa tsara alaina tahaka izao fijeren’ny ben’ny tanànan’Alasora ny mponina ao aminy izao. Tsy voatery ho amin’ny fananganana fotodrafitrasa foana vao hita fa miasa ny Kaominina iray, betsaka ny sehatra afaka entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire