PolitiqueTatitra

Afghanistan : Ho tontosaina androany ny fivorian’ny G7 mikasika ny raharaha ao an-toerana

Nambaran’ny praiminisitra Boris Johnson (Grande-Bretagne) ny alahady teo fa hanatanteraka fivoriana ny mpikamabana ao amin’ny G7 androany. Atao virtoaly ity fivoriana ity raha ny fanazavany ary andinihana ny toe-draharaha misy ao Afghanistan. « Ilaina ny fiaraha-miasa mba hahazoana antoka ny fahafahana manala ireo olona ao an-toerana ireo sy hisorohana ny krizy « humanitaire » hoy izy. Tsiahivina fa Allemagne, Canada, Etats-Unis, France, Italie, Japon ary Royaume-Uni no mivondrona ao amin’ity G7 ity.

Laisser un commentaire