SocialTatitra

France : Mihoatra 2 000 ireo tsaboina ao amin’ny « soin critique »

Naneho ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ao France ny alahady teo fa mbola tototra ireo « soin critique » ao amin’ireo hopitaly ao an-toerana. Mbola 2 128 ny marary ao amin’ireo fameloman’aina raha ny fanazavana.

Raha ny antsipirihiny nomen’ireo tompon’andraikitra ireo dia marary 103 no nalefa tao amin’ny fameloman’aina tao anatin’ny 24 ora raha 542 no nahiditra hopitaly tamin’izany. Olona 10 651 ao amin’ny hopitaly ankehitriny no mararin’ny Covid avokoa. 113 372 kosa ny fitambaran’ny nitondra ny tsimok’aretina hatramin’ny niandohany.

Laisser un commentaire