Indonésie : Vehivavy 54 taona natelin’ny « python » velona
Vehivavy iray antsoina hoe Jahrah no natelin’ny bibilava « python » 7 metatra tao Indonésie. Nanomboka ny 21 oktobra teo no tsy hita io vehivavy io raha ny tatitra. Niasa teny amin’ny toeram-pambolena « caoutchouc » ao amin’ny nosy Sumatra i Jahrah, tsy nody nefa izy rehefa avy niasa ka nanomboka nitady azy ny vadiny.
Niara nisalahy tamin’ny fikarohana an’i Jahrah ny manam-pahefana sy ny fokonolona. Nikaroka teny akaikin’ny toeram-pambolena ireto farany ary nahatsikarina bibilava iray. Hita tao amin’ny kibon’io bibilava io ilay vehivavy tsy hita nanomboka ny zoma.
Tranga tsy fahita firy ao Indonésie io niseho io. Indroa ihany no nisy bibilava nihinana olona tao an-toerana talohan’io tranga io. Amin’ny ankapobeny dia tsy mihinana olona ny « python », biby kelikely mora atelina no tena fihinany.
