ActualitésTsidika

Amoron’i Mania : Fampiofanana fambolena zana-kazo

afiditra ao anatin’ny fandaharan’asam-panjakana ny hamerenana indray an’i Madagasikara ho nosy maitso. Ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy no sampana voalohany manatanteraka izany. Efa be ny hetsika sy ny fanentanana amin’ny fambolen-kazo natao mba hahatratrarana ny tanjona. Isan’ny tetik’asa ataon’ny Minisitera ihany koa ny fampiofanana ny famokarana ny zana-kazo any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Efa natomboka ny 10 may lasa teo izany. Mandray anjara amin’izany ny olon-tsotra, ny fikambanana, ny avy amin’ireo Kaominina. Ahitana lesona sy fampiharana avy hatrany teo amin’ny tanin-jana-kazon’ny DREDD Amoron’i Mania izany. Ezahina ny hanitatra izao fampiofanana izao any amin’ireo Distrika sy Kaominina hafa ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania. Mbola afaka manatevin-daharana amin’izao tetik’asa izao ny mponina any an-toerana. Afaka manoro hevitra amin’ny famokarana sy fikoloana zana-kazo ny ao amin’ny Minisitera tompon’andraikitra izay tarihin’i Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Zava-dehibe ny zana-kazo mba hanarenana ny tontolo iainana izay efa miha potika ankehitriny, koa samia tompon’andraikitra ny olom-pirenena tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire