SocialTsidika

Anjozorobe : Mihatery ny lalan’i Delkely sy ny namany izay jiolahy raindahiny

Herinandro lasa izay no nanaovana hetsika fampandrian-tany manokana any amin’ny distrikan’i Anjozorobe, noho ilay tranga fakana ankeriny niseho tamin’ny faha 3 volana mey teo. Marihina fa nanaovana ezaka manokana ny fandriampahalemana ao anatin’ny distrikan’i Anjozorobe sy ny fanaovana hazalambo an’i Delkely, jiolahy raindahiny mpamono olona sy mpaka ankeriny. Nidina fanindroany tany antoerana ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, kaomandin’ny faripiadidiana Zandarimariam-pirenena Antananarivo (CDT CIRGN) ny 11 may lasa teo. Nitsirika sy nanao tombana ifotony izay hetsika fampandrian-tany no nataony tany. Fantatra ary izao fa efa mihatery tanteraka ny lalan-kalehan’io jiolahy raindahiny io satria efa voafehy avokoa ny kizo sy lalana ary tanàna fiereny. Totoafo ny fisafoana sy fiarovana ireo toerana rehetra ao anatin’ny distrikan’i Anjozorobe sy ireo distrika mifanefitra. Tsy maintsy tohizana sy hamafisina ny hazalambo an’i Delkely izay mampihorohoro io faritra io. Miara-misalahy amin’izao hetsika izao ny zandary sy ny tafika amin’ireo faritra hafa toy ny avy any Betsiboka, Analamanga, Alaotra Mangoro. Ny mba hahafahan’ireo vahoaka hiasa tsara sy hamboly ara-dalàna ary hiompy am-pitoniana no tanjona ka mila samborina i Delkely sy ny namany izay mbola miriaria any. Isan’ny manome tànana ka nahazahoana vokany tokoa ny fiaraha-miasa amin’ireo mponina. Koa hirariana ny mba hitohizann’y fiaraha-miasa hatrany hatrany ka hiara-misambotra ny olon-dratsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire