SocialTsidika

Andohan’Ilakaka : Dihy nentim-paharazana no notanterahin’ireo vehivavy

Tafiditra tao anaty ny andro faha enina amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny any amin’ny faritra Andohan’ Ilakaka. Niavaka ny nankalazan’izy ireo izany.

« Nisy ny dihy nentim-paharazana notontosain’ireo vehivavy, tao anaty fikambanana sy ny mahaleontena nandritra ny andron’ny vehivavy » hoy ny Tompon’andraiki-panjakana ao Andohan’Ilakaka. « Naseho tamin’izany ny fomba fitafy mampiavaka ny faritra Atsimo, ny taovolo ary ny endrika amam-bika. Nisy ny fanaovana akanjo mitovy loko ho mariky ny miralenta » hoy ireo vevihavy any an-teorana.

Efa nnaomboka ny 6 artsa ny fankalazana, ary hifarana ny 8 martsa. Izany dia ho fampiroboroboina hatrany ny tanàna amin’ny alalan’ny vehivavy. Samy mandray anjara lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny rehetra na ny lahy na ny vavy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire