Dépêches

08 martsa: Nomena ny anjarany ihany koa ny vehivavy mpanao gazety

08 Martsa, 10h00. Miisa 491 ny vehivavy mpanao gazety manodidina ny 1500, nahazo ny karatra maha matianina, andiany voalohany. « Viavy miavotse… » : tsy miankin-doha, manana ny asa maha mpanao gazety «…miatrika sy mifanampy… » : miatrika adidy sy andraikitra, sarotra, sady mpanao gazety no vady, reny, ho reny. Mifanampy, apetraka ambonin’ny fahefana rehetra ny fitiavana « …taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » : mpanao gazety vehivavy, mametraka ny ho avin’ny taranaka amin’ny alalan’ny asantsika. Ry mpanao gazety vehivavy ! Ndeha horaisina ny andraikitra ! 32% ho an’ny fanovana ! hoy i RASOLOARISON H. Monica, filohan’ny OJM. Misy vehivavy mpanao gazety, 222 eto Analamanga, 32 ao Alaotra Mangoro, 28 ao Atsinanana, 25 ao Boeny, 23 ao Matsiatra Ambony, 20 ao Atsimo andrefana, 17 ao Diana, 13 avy ao Vakinankaratra sy Bongolava, 11 ao Atsimo atsinanana, 10 avy ao Menabe sy Ihorombe, 9 avy ao Sava sy Amoron’i Mania, 8 ao Sofia, 6 avy ao Betsiboka, Anosy, Fitovinany, 5 avy ao Itasy, Melaky, Vatovavy ary 4 avy ao Analanjirofo sy Androy.

Laisser un commentaire