Dépêches

Fandriam-pahalemana : Mpanendaka tratra ambodiomby teo amin’ny asa ratsiny

dépêche 20 septembre, 11h, Tao Toamasina no niseho ity tranga ity, tovovavy andeha hivavaka ao amin’ny Sacré Coeur no saika noendahin’ireto jiolahy ireto. Miisa telo izy ireo, ka tafaporitsaka ny iray, raha voatanan’ireo mpitandro filaminana ny roa, teo ampanaovana izao fanendahana izao. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny sabatra be izay fanaovany izany asa ratsiny izany.

Laisser un commentaire