Fitsarana: Laharam-pahamehana ny fanamafisana ny ady amin’ny klolikoly ho an’ny Minisitra vaovao.
Dépêche 23 février, 12h, Vita omaly ihany koa ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha sy ny Minisitra vaovao ka nanambara ity farany tamin’izany fa hamafisina ny ady amin’ny kolikoly ary tsy handefitra amin’izay manao izany ny tenany. Asa mivaingana mifanaraka amin’izany anefa no takian’ny vahoaka fa tsy teny fotsiny satria zary lasa fahazaran’ny mpitondra ilay manome teny fahatokisana. Andrasana araka izany ny fiovan’ny toe-draharaha rehetra eo amin’ny Fitsarana, indrindra mahakasika ity kolikoly ity.
