Dépêches

Jirama : Tale miisa 3 nampidirina am-ponja vonjimaika.

Dépêche 29 novembre, 11h30, Tale 3 nampidirina am-ponja vonjy maika, namoahana didy fampisaborana ny tale Jeneraly teo aloha sy ny tale kabinetrany, ary ny tale Jeneraly ankehitriny. Nogiazan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly ny fiara 7. Izany no vokatry ny fakana ambavany natao an’ireo mpiasa ao amin’ity orinasam-panjakana ity. Raharaha ara-bola tsy mazava teo anelanelan’ny taona 2018 kahatramin’ny 2021 no anton’ny fiampangana. Ny tale misahana ny Maha olona (DRH), ny médecin chef ao amin’ny centre Jirama, ary ny tale ara-bola, no efa lasa eny Antanimora. Namoahana didy fampisamborana kosa ny tale kebinetra sy ny tale jeneraly lefitra izay mpisolo toerana. Orinasa ahitana tranga kolikoly matetika ny any anaty orinasam-panjakana ka tokony hojerena akaiky toy izao avokoa.

Laisser un commentaire