Dépêches

Tontolo iainana : 500 tapitrisa USD ny sandan’ny faritra arovana

8 Jolay, 13h 00 Manodidina ny 500 tapitrisa USD no anombanan’ny mpikaroka ny lanjan’ny faritra arovana eto Madagasikara ho an’ny toe-karena nasionaly. Nanatanteraka famelabelaran-kevitra hitondrana izany vokatra izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy sy ny « Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar » ary ny « Madagascar National Parks » niaraka tamin’ny manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana sy toe-karena eto Madagasikara ny 7 jolay 2022 teo.

Tafiditra ao anatin’ny vinan’izany atrikasa izany ny fanamafisana ny adidisika amin’ny fanomezan-danja sy ny fiarovana ireo faritra arovana ireo.

Laisser un commentaire