SportTsidika

Ankadinandriana : Nahafa-po ny voka-dalao tamin’ny lalao manasa-dalana

Nahafa-po ny voka-dalao tamin’ny lalao manasa-dalana ho fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadinandriana Avaradrano. NY JSA Andranomonina sy ny Beravina Andranovelona no hiakatra amin’ny lalao famaranana.

« Resin’ny JSA Andranomonina tamin’ny isa 3 noho ny 2 ny Aigle Amboanjobe. Nandresy ny AJAX Antanetibe tamin’ny isa 3 noho 1 kosa ny Beravina Andranovelona nandritra ny lalao manasa-dalana. Ireo ekipa roa nandresy noho izany no hiakatra amin’ny lalao famaranana » hoy ny mpikarakara. « Reharehan’ny tanàna tokoa ny manana tanora mahay baolina kitra tahaka izao. Tsy mena mitaha amin’ny Kaominina hafa tokoa isika raha eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadinandriana.

Betsaka tokoa ireo ekipa isam-pokontany nandray anjara tamin’ity lalao ho fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ao Ankadinandriana ity. Miroborobo hatrany ny tontolon’ny baolina kitra eto Avaradrano.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire