Basket-ball: Fiofanana mandritra ny 15 andro any Le Caire ho an’ny Ankoay lehilahy
Hahazo fiofanana mandritra ny 15 andro any Caire ireo mpilalaon’ny Ankoay lehilahy U19 ho fanomanana ny Fiadiana ny tompon-daka manera-tany amin’ity taranja ity izay hatao any Hongrie. Taorian’ny fampivondronana ny volana desambra 2022 teo dia feno tanteraka ny fandaharam-potoan’ny Ankoay lehilahy latsaky ny 19 taona ho fanomanana ity tompon-daka eran-tany ny volana jona ho avy izao ity.
« Ekipa maromaro izay voafidy hiatrika ny fiadiana eran-tany amin’ny Basket Ball no hiatrika izany fiofanana mandritra ny 15 andro izany ka ansian’izany ny Ankoay. Miendrika fifaninana ihany koa ity fiofanana izay hataon’izy ireo ity. Miaraka amin’izany dia misy ihany koa ny fampivondronana azy ireo manokana ho amin’ny volana aprily. Izany rehetra izany dia tafiditra amin’ny fanomanan-tena daholo », hoy ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Basket Ball.
« Mila manana olona lava sady mahay isika satria efa lalao matihanina izany “coupe du monde U19”izany. Mahatoky ny ekipa aho ary hitako fa mahay izy ireo saingy mikaonty ihany ny halavana satria raha hifanandrina amin’ny Egypte fotsiny dia efa sahirana ara-batana isika », hoy Sedra, mpamakafaka ara-panatanjahantena naneho ny heviny.
Araka ny fanambarana avy amin’ny Federasiona hatrany moa dia tsy dia hahitam-panovana betsaka ny handrafitra ny ekipa fa hisy mpilalao roan a telo hampidiriana hanatevin-daharana ny efa teo aloha anefa. Manamarika ny tantara ity lalao ity satria sambany ho an’ny Basket-ball Malagasy latsaky ny 19 taona no hiatrika izany fiadiana ny tompon-daka eran-tany izany. Any Hongrie moa no hanatanterahana izany ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay izao. Toy ny taranja rehetra dia mbola mila ny fanohanana avy amin’ny Malagasy rehetra hatrany izy ireo.
Miora Raharisolo
