Ambohimanambola : Ho ampiharina tsy ho ela ao amin’ny kaominina ny « Raoka fako »
Servisy vaovao ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, hisahana ny fako ventiny ny Raoka fako na ny Rafitra Amahana ny Olan’ny fako eto amin’ny Kaominina Ambohimanambola. Fanentanana ny isam-batan’olona, indrindra ireo olom-pirenena ao anatin’ny kaominina, hifarimbona amin’ny fametrahana rafim-pintantana fako mahomby no tanjona ao anatin ‘izany, raha ny voalaza.
« Anisan’ny olana sedrain’ny mponina ny resaka fitantanana ny fako ato anatin’ny kaominina. Tsy vao izao ihany izany fa efa hatramin’izay izany. Antony nametrahana izao tahalaka izao mba hisahana ny resaka fitantanana ny fako eto an-toerana sy manerana ireo fokontany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Ilaina ny fanentanana sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena rehetra amin’ny sehatra rehetra misy ao amin’ny fampandrosoana ny kaominina, anatin’izany ny fahadiovana. Tsy vitan’olo-tokana sy ny tomponandraikitra ihany ny mitady vahaolana ho an’ny fampandrosoana fa anjaran’ny rehetra ny mitondra anjara biriky ho amin’izany » hoy i Koloina, mpisehatra amin’ny fampandrosoana ifotony.
Ao anatin’ny fiaraha-mientana no ahitana vokatra sy tombotsoa iombonana. Ny fahadiovana no taratry ny fandraisan’andraikitra sy ny fandrosoana ao amin’ny toerana iray. Rehefa madio sy lavitry ny loto no afaka mampandroso ary mahazo fahasalamana, indrindra mampirindra ny mponina.
Manitra Ramanantsoa
