ActualitésTsidika

Mandaniresaka Antsirabe: Misy trangan-javatra hafahafa

Hitrangana toe-javatra hafahafa niseho tao Mandaniresaka Antsirabe akaikin’ny lalamby fanakanan’ny polisy. Ondry 3 no maty tao minin’ny tranony. Nahitana trobaka ny tendan’ilay ondry saingy tsy nahitana rà miparitaka tao amin’ilay trano izay mifefy tamboho.

“Tsy fantatra mazava izay fototra mahatonga izao tranga izao. Efa nahita tranga hafa toa io izahay saingy akoho no tratra. Manao antso avo amin’ny mpitando ny filaminana hanao fikarohana ny momba ity tranga hafahafa ity.” hoy Bakoly, renim-pianakaviana

“Efa maro ny tatitra mitovitovy amin’io tranga io any an-toerana amin’izao fotoana. Biby no mitroka ny ran’ilay ondry. Manentana ny rehetra ho mailo sy tsy hivoaka alina; indrindra raha maheno zavatra hafahafa any antokotany.” Hoy ny mpitandro ny filaminana.

Mitohy ny fikarohana izay ataon’ny mpitandro ny filaminana; mangataka ny rehetra mba ho tony manoloana an’izao zava-mitranga izao.

Laisser un commentaire