Mexique: Nahafaty olona 43 farafahakeliny ny rivo-doza Otis, mitohy ny fikarohana any Acapulco
Any Acapulco, fotoana hanaovana fikajiana aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Otis. Namoy ny ainy 43 ary olona 36 tsy hita popoka tao amin’ny toeram-pialan-tsasatra amoron-dranomasina any atsimo andrefan’i Meksika, araka ny tatitry ny manampahefana ny alahady 29 oktobra. Ny tatitra teo aloha dia nahitana fahafatesan’olona 39, ny ankamaroan’izy ireo dia maty an-drano.
“Tombana mialoha” izany, hoy ny fanazavan’i Evelyn Salgado, governoran’ny fanjakana Guerrero izay misy ilay tanàna rava, nandritra ny resaka an-tsary niaraka tamin’ny filoha Meksikana Andrés Manuel López Obrador. Nambaran’ny lehiben’ny fanjakana kosa fa ho any Acapulco ny alahady izao.
Nihena ny isan’ny namoy ny ainy taorian’ny rivodoza nandona ny fifandraisan-davitra sy ny jiro, izay niverina tsikelikely ny faran’ny herinandro teo.
“Miroso amin’ny fizarana mahomby amin’ny fanampiana maha-olona izahay,” hoy i Evelyn Salgado nanome toky.
