Nigeria : Avotra ireo tovovavy nisy naka an-keriny tao Zamfara.
Avotra soa aman-tsara ireo tovovavy maherin’ny 300 nalain’ny vondrona mpampihorohoro an-keriny tao Zamfara ny herinandro lasa teo. « Bandits » no hiantsoan’ny mponina ao amin’ity faritra avaratr’i Nigeria ity ireo vondrona mpampihorohoro ireo. Tokan-trano maro no voaroba ary ny biby fiompy no tena kendren’ireo « bandits » ireo. Manomboka maka an-keriny mpianatra kilasy mandry ihany koa izy ireo. Tranga faha efatra tao anatin’ny 3 volana ity niseho ny herinandro lasa teo ity. Notazonin’ireo mpaka an-keriny tamina toerana iray nandritra ny 5 andro ireo tovovavy maherin’ny 300 ireo izay vao navotsony. Tsy nanambara mazava ny takalon’ny famotsorana ireto mpianatra ireto ny manampahefan’ny fanjakan’i Zamfara. Mety nalohan’ny fanjakana ny vola notadiavin’ireo vondrona mpampihorohoro ireo hoy ny mponina ao an-toerana. Tsy vao sambany no nisy famotsorana andiana mpianatra maro nalaina an-keriny toy izao. Raha tsihivina, mbola ny fanjakan’ny Zamfara ihany koa no nifampiresaka tamin’ireto vondrona ireto ny amoahan’izy ireo zazalahy miisa 344 nalaina an-keriny ny volana desambra 2020, tao Katsina. Tsy ny ao amin’ireo toerana voatonona ireo ihany anefa no hiaran’ny herisetra fa saika ny faritany rehetra manerana an’i Nigeria mihitsy.
