ActualitésTsidika

Androm-pirenena ho an’ny Varika: Notanterahina ny faha 27 oktobra ny hetsika

Natao hanamafisana ny hisian’ny fiaraha-mientana hiarovana ireo biby ireo no antony anamarihana ny androm-pirenena ho an’ny Varika. Miompana bebe kokoa amin’ny fiarovana ity karazam-biby ity ny hetsika izay notanteraha ny zoma 27 oktobra teo, tao Maromihaza.

 “Atahorana ho lany tamingana ny 90% ny Varika eto Madagasikara noho ny tsindry mahazo azy ireo. Karazam-biby azo lazaina ho ampiavaka an’i Madagasikara ny Varika, izay tsy fahita any amin’ny firenen-kafa. Misy karazany 112 ny Varika ary samy manana ny mampiavaka azy avy izy ireo. Ny 12 amin’izy ireo dia hita ao amin’ny faritra arovana Maromizaha; toy ny Babakoto, AyeAye, Varikandrana, Varika mena, Varika mavo, Simpana, Fotsy fe, Tsidy, Tsidy ala, Tsitsihy, Tranga lavaka, Bokombolo.” Hoy ny tompon’andraikitra.

“Marihina fa ny 18 avrily 2018 no nanomezan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy ho an’ny GERP ny famindram-pitantanana ny faritra arovana Maromizaha izay manana velaran-tany 1880,08 ha. Tafiditra ho isan’ny biby arovana ny Varika, izay tafiditra ao anatin’ny tovana voalohan’ny CITES. Voararan’ny lalàna ny fihazana sy ny fihinana ary ny fiompiana ny Varika.” Hoy hatrany ny fanambarany.Isan’ireo biby ahiana ho lany tamingana ny Varika. Isan’ireo biby arovana izy ireo amin’izao fotoana. 

Laisser un commentaire