ActualitésTsidika

Akamasoa Ambohimahitsy : Trano manodidina ny dimy isan’andro no vaky

Miaina tsy fahandriam-pahelamana efa an-taonany maro ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohimahitsy sy ny manodidina ny faritry ny Akamasoa. Olona avy ao amin’ny Akamasoa ihany no voalazan’ny mponina manodidina fa manao izany fanafihana izany.

Maro ireo olona efa nitaraina teny amin’ny zandary sy teny amin’ny tamba-jotran-tserasera mahakasika ny hafitsoky ny asan-jiolahy eny Ambohimahasoa. Efa an-taonany maro, hoy izy ireo, no niaina tao anatin’izany, saingy mbola tsy nisy ny fandraisanana andraikitra nahomby avy amin’ny fitandroana ny filaminana. « Trano dimy isan’andro no vaky eny Ambohimahitsy. Mponin’ny Akamasoa ihany ireo jiolahy manafika ary ireo vadin-jiolahy dia efa manana fikambanana ka raha vao tratra ireo jiolahy dia miray hina avy hatrany izy ireo mamoaka ireo olon-dratsy » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny fokotany Ambohimahasoa, nijoro vavolombelona. « Tsy vaovao be loatra intsony izany fanafihana izany, efa mahazatra ny mponina aza. Efa hatramin’ny taona 2009 tany ho any, nisian’ny Akamasoa, no efa nanjaka ny tsy fandriam-pahalemana, mampihorohoro  ny mponina isan’andro, isan’alina » hoy i Liva mponina eny an-toerana.

Ny fametrahana « poste avancé » ao Soamanandrariny no vahaolana andraindrain’ireo mponina amin’ireo tompon’andraikitra mahefa. Milaza fa efa leo ny famotsorana lava ireo jiolahy ihany koa ny mponina ka miandry ireo sendra azy ireo ho saziana araka ny lalàn’ny fiaraha-monina. Manantena ny fandraisana andraikitry ny polisim-pirenena araka izany ireo mponina manoloana izao tranga izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire