ActualitésTsidika

Morondava : Tafaverina avokoa ireo 19 lahy mpiandriaka

Mpanarato 12 tamin’ireo 19 no tafaverina an-tanety tany Morondava ny 23 janoary lasa teo. Efa tonga an-tanety soa aman-tsara ihany koa ireo mpanarato 8 lahy ambiny.

« Mpanarato 20 no niandriaka ny alahady teo tamin’ny 6 ora maraina. Niala teo amin’ny fokontany Morondava Centre ny 19 tamin’izy ireo. Nitondra laka-fiara 9 ireo 19 raha toa niala teo Avaradrova ny iray, izay ankizy vao 16 taona nandeha irery, nitondra laka-molanga » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any Morondava. “Ny harivan’iny ihany dia tafaverina ny 12 tamin’ireo 19. Ny ambiny kosa androany 24 janoary vao tonga an-tanety » hoy ny avy ao amin’ny orinasa Sopemo izay nanampy tamin’ny avotr’aina natao tamin’ireo 8 lahy mpiandriaka.

« Manentana atsika mpanjono hatrany izahay mba hitandrina mandrankariva. Mankahery ny fianakavian’izy ireo ihany koa manoloana izao andro ratsy izao » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga. Zava-dehibe tokoa ny mamantatra ny toetr’andro alohan’ny hivoahana ny trano indrindra ho an’ireo mpiandriaka.

Sraobidy ny aina, ary tsy hananam-piry.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire