Alasora : Mirongatra ny fifohana zava-mahadomelina
Miantso sy manaitra ireo zandary sy manam-pahefana ao amin’ny kaominina Alasora ireo mponina manoloana ny fiparihan’ny zava-mahadomelina ao an-toerana. Mihoa-pefy ary tafaroboka ao anatin’ny zava-mahadomelina ireo tanora, zatovo ao an-toerana. Ny fokontany Amboaroy, Ankadievo, Andranovao Amboromanina ao amin’ny kaominina Alasora no tena voalaza nandrenesana fitarainana mahakasika ny fifohan’ny tanora zava-mahadomelina. Tsikaritry ny fiaraha-monina fa anisan’ny manimba sy mamono ireo tanora ao amin’ny faritra raha tsy misy ny fandraisana fepetra mahakasika izany.
« Be loatra ireo mpifoka rongony eto an-tanàna. Ny tena ratsy dia ilay izy manimba ireo tanora ireo, lasa adala, mamono, mitoraka rehefa tsy mazaka ny fifohana ilay izy. Manaitra ny tompon’andraikitra izahay mba handray fepetra fa tena simba ny ho avin’ny tanora » hoy i Haga, mponina ao Alasora. « Misy ny hetsika fandriam-pahalemana ataon’ny mpitandro filaminana, ary efa maro ireo tratra teo am-pifohana na fandraisana izany. Manoloana ny tranga toa izao ny mpitandro filaminana tsy mijery fotsiny fa tena midina an-tsehatra manao haza-lambo sy misambotra ireo mpandray zava-mahadomelina ireo » hoy ny avy ao amin’ny zandarimaria ao Alasora.
Misy amin’ireo mpifoka zava-mahadomelina ireo no tena mbola kely taona, izay mahatonga ireo mponina hiantso ny tomponandraikitra mahefa. Anisan’ny mahabe ny asa ratsy eny anivon’ny fokontany ny fiparihan’ny zava-mahadomelina raha tsy voafehy na handraisana fepetra hentitra.
Manitra Ramanantsoa
