SocialTatitra

Niger : Nahiditra am-ponja i Hama Amadou rehefa notànana nandritra telo andro

Nahiditra am-ponja ny alatsinainy 01 martsa i Hama Amadou rehefa notànana tany nanditra ny telo andro. Fandraisana anjara tamin’ny fanakorontanana taorian’ny famoahana ny valim-pifidianana tao Niger no hanamelohana azy hoy ny mpampanoa lalàna ao Niger. Tsy izy ihany hoy izy ireo fa mbola betsaka ihany koa ireo olona voarohirohy tamin’ny trangana fanakorontanana nanaraka ny famoahana ny valim-pifidianana vonjimaika ny 21 febroary lasa teo iny. Raha araka ny fanambarana nataon’ny solontenan’ny mpampanoa lalàna ao Niger (izay tsy nilaza anarana), nanolo tena tany amin’ny manam-pahefana tao Niamey, ny zoma 26 febroary lasa teo i Hama Amadou. Notànana vonjy maika nandritra ny 3 andro izy ary izao nahiditra am-ponja izao taorian’ny fanapahan-kevitra navoakan’ny mpitsara niandraikitra ny antontan-taratasy fanamelohana azy. Ny alakamisy talohan’ny nahatongavan’i Hama Amadou tao amin’ny mpitandro ny filaminana, efa nanameloka azy ho atidoha nikotrika ny fanakorontanana rehetra niseho tao Niger ny minisitry ny atitany, Alkache Alhada. Tsy neken’ireo mpanohitra azy ny fahalanian’i Mohamed Bazoum tamin’ny salan’isa 55,7% manoloana an’i Mahamane Ousmane filohan’ny andrim-panjakana teo aloha. Ankoatr’i Hama Amadou, anisan’ny manana antontan-taratasy mipetraka ao amin’ny fitsarana ao Niger ihany koa i Moumouni Boureima, filohan’ny tafika teo aloha sy i Djibrilla Baré Maïnassara kandidà tamin’ny fihodinana voalohany izay nanohana an’i Mahamane Ousmane.

Laisser un commentaire