Etats-Unis : Mpandeha fiara-manidina nikasa hamoha ny varavarana teny am-panidinana
Fiaramanidina avy amin’ny kaompania Amercan Airlines, izay nanao sidina ho any Chicago no voatery niverina tao amin’ny seranam-piaramanidina niaingany tao Mexique, vokatry ny zava-misy nataon’ny mpandeha iray tao anatiny. Nikasa ny hanokatra ny varavaran’ny fiaramanidina, teny am-panidinana teny, ity farany, araka ny fanazavana. Tao anatin’izany, ny talata teo, niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy ny horonantsary maneho ireo olona hafa nanakana ity lehilahy ity hanokatra ny varavarana fivoahana amin’ny fiaramanidina.
Efa tany amin’ny aavo 8000 metatra miala ny seranana niangana ity sidina ity no niverin-dalana, noho ity zava-nisy ity. Nilaza ho nahare feo misiotsioka sy tsindry samihafa ity lehilahy ity. Raha ny zava-misy ao Etats-Unis, nahitana fitomboana ny isan’ireo mpandeha fiara-manidina, tao anatin’ny taona vitsy izao. Maro ireo tsy manara-dalàna ao anatin’izany, mahatratra hatramin’ny 6000 ireo tranga samihafa niseho ny taona 2021.
