ActualitésTsidika

Alasora : Manjaka ny vaky trano eny amin’ny fokontany sasany

Manjaka ny vaky trano eny amin’ireo fokontany sasany ao amin’ny kaominina Alasora. Ny alatsinainy teo, tokatrano ireo no niharan’izany tao amin’ny fokontany Androka.

« Sendra tsy tato an-trano izahay no nitrangan’ilay vaky trano. Novakian’izy ireo ny varavaran’ny trano ka rehefa tafiditra dia nakorotany ambony ambany avokoa ny entana rehetra hatrany anatin’ny armoire. Ny fahitalavitra, sy ny speaker sy entana hafa no lasan’izy ireo » hoy ny niharan’ny loza.

« Raha ny tsy fandriam-pahalemana eto an-toerana dia efa tena mampiaiky ny mponina. Hita ihany fa manao ezaka ny mpitandro filaminana amin’ny fanaovana fitsirihana amin’ny alina sy ny fanaovana fisafoana fa saingy mila fahamailona sy fitandremana avy amin’ny tsirairay ihany hatrany satria ny ratsy tsy kely lalana amin’izao fotoana » hoy i Doda, mponina ao Alasora.

Mbola misy hatrany ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny mponina. Ao anatin’izany, mila fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny rehetra mba ahafahana manatratra ireo olon-dratsy eny amin’ny fiaraha-monina. Ny kaomisarian’ny polisy ao Alasora moa dia azo antsoina amin’ny laharana 034 05 531 08.

Laisser un commentaire