ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nandray anjara tamin’ny asa fanadiovana ny tanàna ireo orinasa ao an-toerana

Niara-nientana tamin’ny fanatanterahana ny fanadiovana faobe ireo ekipa avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny orinasa Sobatra izay avy ao an-toerana ihany, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanotrona izany ihany koa ireo solo-tena avy amin’ny orinasa « Celto » sy ny « Unifood », niampy ireo rafitra mpanadio eny amin’ny fokontany Antanetibe, izay nahafahana nanatanteraka fanadiovana faobe teny an-toerana, araka ny voalaza.

« Ny fifanomezan-tanana sy ny firaisan-kina ary ny fifanentanana ao anatin’ny fiara-monina iaraha-manana no tanjona ka samy tomponandraikitra ny tsirairay amin’ny fanajana ny fahadiovana sy ny fanadiovana ny tanàna. Mendrika ny fihetsika tahaka izao ka tsara alain-tahaka sy tohizana ho tombotsoan’ny mponina tsy ankanavaka » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Manana anjara amin’ny fitandroana ny fahadiovana ny rafitra rehetra misy ao anatin’ny faritra iray. Tsy voatery hiandry ireo tomponandraikitra misahana izany vao hananana toerana madio. Ilaina ny fahatsapan-tena sy ny fiaraha-mientana ao anatin’izany » hoy ny avy amin’ny orinasa Sobatra.

Anisan’ny mahate honina ary tombony amin’ny fahazoana fahasalamana ny fananana tanàna madio. Tomponandraikitra ny olom-pirenena amin’ny fikajiana ny fahadiovana ary tokony ho samy sarotiny amin’ny fahadiovan’ny tanàna.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire