Tontolo iainana : Ny maha zava-dehibe ny faritra arovana
Raha ny eto Madagasikara manokana no jerena dia maro ireo faritra arovana misy eto. Ao anatin’izany ny faritra arovana antanety na ny faritra arovana an-dranomasina. Samy manana ny mampiavaka azy avokoa ireny faritra arovana ireny ary samy manana ny antony tsirairay antony namadihana azy ho faritra arovana. Miantoka fiaianana maro dia maro ny faritra arovana ka tokony ho hajaina sy hotandrovina ary harovana araka izany anarany izany. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny tontolo iainana sy ny fihariana ary ny toekarena ny faritra arovana, anisan’ny antony iray mila hafantarana fa zava-dehibe ireny eo ami’nny olona rehetra.
« Raha tsy hiresaka afatsy ny faritra arovana andranomasina isika dia Malagasy maro no misitraka ny voka-tsoa azo avy amin’izany. Tombanana ho sivy arivo sy roa alina sy fito hetsy tapitrisa ariary ireo vokatra andranomasina sitrahan’ny Malagasy vokatry ny fisian’ny faritra arovana. Izany no midika fa raha tsinontsinoavina ziany faritra arovana izany dia ho lany tamingana ireny vokatra ireny ka ho maro ny very asa ka ho maro ihany koa ny Malagasy tsy hisitraka hazan-drano izay tena ilaina ho amin’ny fahasalamana », hoy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny fanazavany.
« Ny fomba atao ho fiarovana izany faritra arovana an-dranomasina izany dia ny fikarakarana ny ala honko, ny ala andranomasina sy ny voly rano. Ireo toerana telo ireo izay fonenan’ny biby miaina any anaty rano ka raha ringana ireny dia ho faty ihany koa ireo biby ka ho lany tamingana. Miisa 22 ireo faritra arovana an-dranomasina efa napetraka. Mbola misy ihany kao anefa ny ankoatran’izany fa ireo aloha no efa voaisa », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Tsy voatery hiandry ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana irery anefa vao tokony hiaro ziany faritra arovana izany. Tsy tokony rehefa faritra arovana ihany vao hotandroina sy arovana fa ny faritra rehetra mihitsy. Manana adidy sy andraikitra amin’izany ny olom-pirenena rehetra ka tokony hanatanteraka ny fiarovana ireny na amin’ny fomba farany izay madinika aza.
Miora Raharisolo
