Sosialy : 1.5 tapitrisa dolara enti-miarina noho ny fanadalovan’ny rivo-doza Freddy
Vola mitentina 1.5 tapitrisa dolara no natolotry ny African Risk Capacity (ARC). Natao indrindra izany hanampiana ireo tena marefo noho ny fndalovan’ny rivo-doza Freddy frany teo iny. Raha tsiahivina dia ny volana janoary teo no nandalo teto madagasikara i Freddy izay nanimba sy namotika zavatra maro indrindra ara-pihariana sy ara-piaraha-monina.
« Maherin’ny 2 tapitrisa ireo olona nisedra olana lehibe nandritra iny rivo-doza Freddy iny. Araka izany hahafahana manampy azy ireo hihoatra sy hiarina indray dia vola mitentina 1.5 tapitrisa dolara no hatolotra azy ireo ka ny CPGU no handray an-tanana izany sy hitsinjara ny fampiasana izany », hoy ny avy amin’ny ARC.
Io vola io dia hamatsy programan’asa miisa telo indirndra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izay tena voa mafy tamin’izany rivo-doza izany. Miisa 13 ireo distrika tena nitondra takaitra tamin’izany k samy ahazo ny anjarany avokoa. « Hampandehana ny asa rehetra fanarenana ny faritra nitondra takaitra ny lelavola rehetra amin’ny alalan’ilay fomba fiasa hoe, vola no solon’ny asa. Eo ihany koa ny fizarana ireo sakafo sy fitaovana samihafa isan-tokan-trano ary ny farany dia ny fanarenana ireo tanimbary mirefy 30 000ha izay simba tanteraka. Mifanindra-dalana amin’izany ny fizaran masomboly tsara kalitao sy zezika enti-mamokatra », hoy ny avy ao amin’ny CPGU.
Ho an’ireo vola izay natolotra ny PAM kosa dia hizara sakafo sy fitaovana ihany koa izy ireo hahafahana manala ny tsy fahampian-tsakafo any Nosy Varika sy Mananjary. Miantso ihany koa anefa ny ARC sy ny PAM amin’ny tokony hikarohana vahaoalana maharitra hahafana miady amin’io rivo-doza io izay fotoana hifanomezana amin’ny tetr’andro hatrany ho an’ny Madagasikara isan-taona.
Miora Raharisolo
