Alliance Française: Hisy ny “foire des livres” ao anatin’ny hetsika “lire en fête »
Dépêche 28 avril, 12h, Nandritra ny herinandro ny Alliance Française dia nankalaza ny andro iraaisam-pirenena ho an’ny boky tao anatin’ny hetsika « lire en fête ». Efa andiany fahaefatra izany tamin’ity taona ity. Araka izany dia hisy ny hetsika « foire des livres » rahampitso sabotsy ao amin’ny Alliance Française Andavamamba. Hahazo fahafinaretana manokana amin’izany ny mpankafy boky amin’io satria manomboka amin’ny 1 000ar dia efa hahazo boky. Hivarotra ny amphanay amin’ireo tahirim-bokiny ny AFT amin’ity hetsika ity. Ankoatra izany anefa dia hotronin’ireo fivarotam-boky maro samihafa ihany koa ny sehatra.
