Alasora: Maro toerana mahafinaritra afaka hialana voly
Anisan’ny mampalaza an’ny tanànan’Alasora ny maha vohitra masina azy sy ireo tantara fahampanjaka. Amin’izao fotoana izao anefa, anisan’ny kaominina mivoatra ary efa manana karazana toerana azo tsidihana sy hialana voly, Alasora. Anisan’izany ilay toerana antsoina hoe “Raozikely” ao an-toerana.
“Anatin’ny fokontany Ambohimarina no misy an’I Raozikely. Toerana voadidina hazo maniry ary malalaka tsara. Amoron’ny ranon’ikopa ihany koa ny no misy azy ary azon’ny mpianakavy hialana voly sy hitsangatsanganana. Anisan’ny maro olona mpisafidy ety rehefa fotoana fitsangatsanganana toy ny alatsinain’ny paka na pantekoty na ohatran’izany” hoy ny tompondraikitra, mpikarakara ny toerana
“Maro ireo toerana miavaka azo tsidihana ato anatin’ny kaominina Alasora, na eo amin’ny toerana fitsagatsanganana izany, na toerana manan-tantara na toerana fanaovana asa tanana. Ny hanentanana ny rehetra dia ny fanajana ireny toerana ireny satria fananana iombonana izy ireny, natao ho an’ny rehetra ka tokony kajiana sy tandrovana mandrakariva” hoy ny avy amin’ny kaominina.
Tokony omena vahana ary ampitombona isa ny toerana na faritra maitso hialana voly eto amintsika. Ho an’ireo fianakavina te hiala sasatra, hiaina rivotra madio sy milamina, araka izany, tsara ny mivoaka kely tsy alavitry ny renivohitra ary anisan’ny manome fahafapo ary mahafinaritra I Raozikely.
Manitra Ramanantsoa
