La Réunion : Hiara-hiasa ny GBH sy ny E2CR
Mahazo vahana ny sehatry ny asa ao La Réunion amin’izao fotoana. Miombona amin’ny fanombohana ny fandaharana « Tremplin pour l’emploi E2CR-GBH » ny E2CR (Ecole de la 2ème chance de La Réunion) sy ny vondrona GBH ao an-toerana ho marikin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’izy ireo.
Io fandaharana io dia nataon’ny roa tonta hanampiana sy hampidirana ireo tanora sahirana amin’ny fikarohan’asa eo amin’ny sehatr’asa mantihanina. Marihana fa miara-miasa amin’izy ireo amin’io tetikasa io ihany koa ny Pôle Emploi Réunion sy ny fikambanana GEM. Mamondrona ny tanjany avy ireo mpiara-miombon’antoka ireo hanomezana fanararaotra (opportunité) tanora 15 hiofana arak’asa ary hiasa amin’ireo orinasa sampan’ny GBH ao aorian’ny 16 volan’ny fiofanana.
