ActualitésTsidika

Ambilobe : Velaran-tany 18 000 ha no voatondraka rano

Nametrahana fotodrafitr’asa enti-mamatsy rano ilain’ny tantsaha mpamboly ny ao amin’ny faritra Base Mahavavy any Ambilobe. Velaran-tany 18 000 ha no voatondraka rano, ka tantsaha 5 970 no hisitraka ny tombontsoa mivantana.

« Vola 2 219 tapitrisa Ar no nanaovana ny asa, izay famatsiam-bola avy amin’ny Union Européenne, tantanan’ny Afafi Nord, tao anatin’ny 11 volana » hoy ny tompon’andraikitra amin’ny fitantanana azy. « Efa vita ny fanamboarana ny sisin’ny reniranon’i Mahavavy eo amin’ny «prise principale» ao Andavakantsana, ny fametrahana ny «protection gavion» miaro ny sisin-tany, ny fanavaozana ny «grille de protection» ao amin’ny tohodrano Mantaly, ary ny fametrahana ny prise d’eau stella 2 » hoy ny teknisianina amin’ny fanamboarana.

« Tena ilainay tokoa ny asa tahaka izao satria tena mampijaly ny rano izay miteraka fihenan’ny vokatra raha tsy ampy » hoy i Florentine, tantsaha isan’ireo hisitraka ity tetik’asa ity. Tantsaha tokoa no tena betsaka eto Madagasikara ka tsara raha io sehatra io no tena laharam-pahamehana indrindra amin’izao fitondrana izao mba tena handrosoan’ny tanàna rehetra. Ny tantsaha no miantoka ny sakafon’ny tsy tantsaha ka tsy tokony ny tantsaha ve no tena ampiana voalohany indrindra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire