Maurice : Nanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny fanofanana momba ny « hôtelière » ny Rogers Hospitality sy Polytechnics Mauritius
Nahita vahaolana hialana amin’ny voka-dratsy ateraky ny tsy fahampian’ny mpiasa mahafeno fepetra, ny fifindran’ny mpiasa ho any amin’ny ahi-maitso kokoa, ny fivezivezen’ny mpiasa amin’ny orinasa iray mankany amin’ny hafa, ny fahatapahan’ny asa ary ireo antony samihafa manimba ny indostrian’ny hotely ireo misehatra eo amin’izany ao amin’ny nosy Maurice.
Manoloana izany dia misy ny fifanarahan’izy ireo amin’ny Rogers Hospitality Academy sy ny Polytechnics Mauritius izay hitondra fiofanana eo amin’io tontolo io. Marihana fa ny Rogers Hospitality Academy dia misahana fanofanam-bondrona ary manasongadina ny fahaiza-manao mba hanatsarana ny zava-bita hivoatra kokoa. Ny Polytechnics Mauritius kosa dia fanofanana akademikaizay miavatra amin’ny fandaharan’asa fanofanana anatiny ao amin’ny orinasa iray mba hiainan’ireo mpianatra sahady ny sehatry ny asa.
