Afghanistan : Iza tokoa i Haibatullah Akhundzada ?
Teraka tamin’ny taona 1961 tao Panjwai i Haibatullah Akhundzada. Manam-pahaizana musulman izy ary olom-panjakana Afghan. Filoha fara-tampon’ny Taliban ihany koa izy hatramin’ny fanendrena azy tamin’ny 25 Mey 2016. Mpitantana ao Afghanistan kosa izy ankehitriny, lasan’izy ireo ny 15 aogositra 2021 teo ny fahefana ao an-toerana. Toy ireo mpitantana rehetra teo alohany dia mitarika ny « Émirat islamique d’Afghanistan » ihany koa ny tenany.
Namoy ny zanany lahy Abdur Rahman, 23 taona kosa izy 20 Jolay 2017 nandritra ny fanafihana nahafaty olona tao amin’ny tobin’ny tafika nasionalin’i Afghan tao amin’ny tanànan’i Gereshk, avaratry Lashkar Gah ao amin’ny faritanin’i Helmand. Filoha fara-tampon’ny Taliban namoy zanaka voalohany tamina fanafihana toy izany ny tenany. Ny 16 aogositra 2019 ihany koa dia namoy ny rainy sy ny rahalahiny noho ny fipoahana lehibe izy.
